Titus 1

1Paoly, mpanompon’Andriamanitra ary Apostolin’i Jesosy Kristy, hanamafy ny finoan’ny olom-boafidin’Andriamanitra sy ny fahalalana ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, 2amin’ny fahatokisana ny fiainana mandrakizay, izay nampanantenain’Andriamanitra, ilay tsy mandainga, fony fahagola. 3Tamin’ny fotoana voatondro, dia nasehony ny teniny tamin’ny hafatra izay natokisany ho ampitaiko. Nataoko izany araka ny didin’Andriamanitra ilay Mpamonjy antsika.

4Ho an’i Titosy, zanaka marina ao amin’ny finoana hiombonantsika. Fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra ilay Ray sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 5Noho izao antony izao no namelako anao tany Kreta, dia ny mba handaminanao ireo zavatra mbola tsy vita sy hanendry loholona isaky ny tanàna araka izay efa nandidiako anao.

6Ny loholona dia tsy tokony hanan-tsiny mihintsy, vadin’ny vehivavy iray, manana zanaka mino tsy voampanga ho manara-po amin’ny ratsy na maditra. 7Ilain’ny mpitandrina, amin’ny maha-mpanao ny asan’Andriamanitra, ny tsy fananan-tsiny. Tsy tokony hahery fiteny na mirehareha. Tsy tokony ho mora tezitra, tsy mpimamo, tsy lian’ady, ary tsy olona tia vola.

8Fa kosa, tokony hampiantrano izy, sakaizan’izay tsara. Tsy maintsy mahonon-tena, marina, masina, ary mahafehy tena. 9Tokony mitana mafy ny hafatra izay efa nampianarina izy, mba afahany mampahery ireo hafa amin’ny fampianarana tsara ary hanitsy ireo izay manohitra azy.

10Fa maro ny olona mpikomy, indrindra ireo izay voafora. Tsy misy lanjany ny tenin’izy ireo. Mandiso fanantenana sy mitarika ny olona any amin’ny lalan-diso izy ireo. 11Ilaina ny manakana azy ireny. Mampianatra ny tsy tokony hampianarina izy ireo mba ahazoana harena maloto ary mandrava ny fianakaviana manontolo.

12Nisy iray tamin’izy ireo, izay lehilahy hendrin’izy ireo, nilaza hoe: “Ny Kretana dia mpandainga mandrakariva, ratsy ary biby mandoza, kamo be tenda.” 13Marina izany voalaza izany, noho izany anaro mafy izy ireo mba hatanjaka amin’ny finoana.

14Aza miraharaha ireo anganon’ny Jiosy na ireo didin’ny olona izay niala tamin’ny fahamarinana.

15Ho an’ireo izay madio, dia madio ny zavatra rehetra. Fa ho an’ireo izay voaloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona. Noho ny saina sy ny fieritretretany efa voaloto. Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy ireo, kanefa mandà Azy amin’ireo asany. Mpankahala sy mpandika lalàna izy ireo. Tsy mahavita asa tsara na inona na inona.

16

Copyright information for PltULB